Psalms 4:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mamalia ahy raha miantso aho, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô! Raha tao an-katerena aho dia nohalalahinao toerana. Mamindrà fo amiko ka henoy ny vavaka ataoko!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpampianatra hira amin’ny zava-maneno tendrena. Salamon’i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny ilohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha. Salamo nataon’i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mamalia ahy raha miantso aho, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô! Raha tao an-katerena aho dia nohalalahinao toerana. Mamindrà fo amiko ka henoy ny vavaka ataoko!
malagasy
[Fivavaky ny azom-pahoriana, sy fanantenany an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.