Psalms 4:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olombelona, mandra-pahoviana no handotoanareo ny voninahitro? Mandra-pahoviana no ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry Andriamanitry ny fahamarinako ô, valio aho raha miantso Anao, Ianao izay mahalalaka ahy amin’izay mahaporitra ahy. Mamindrà fo amiko ary henoy ny fivavahako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry Andriamanitra mpanome rariny ahy ô, raha miantso vonjy aho, mba valio. Tao an-katerena aho no efa nafahanao; iantrao àry aho ka henoy vavaka.
Malagasy Bible 1865
Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olombelona, mandra-pahoviana no handotoanareo ny voninahitro? Mandra-pahoviana no ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?
malagasy
Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?