Psalms 40:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia tsy mba sitrakao. Nanokatra ny sofiko Ianao; ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota dia tsy mba nilainao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro, ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay; tsy misy azo ataha Aminao. Maniry hitory sy hanambara an’ireny aho, fa mihoatra ny azo lazaina Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO Andriamanitro ô, maro tokoa ny zava-mahagaga izay nataonao; ka tsy misy azo ampitahaina aminao! Ary ny hevitra anasoavanao anay dia maro loatra ka tsy tambo isaina, tsy ary ho voatanisako na ho voalazako.
Malagasy Bible 1865
Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia tsy mba sitrakao. Nanokatra ny sofiko Ianao; ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota dia tsy mba nilainao.
malagasy
Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao; [Heb: Ny sofiko no nohadinao]