Psalms 42:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao zavatra izao anefa no hotsarovako rehefa mamboraka ny fanahiko ato anatiko aho, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ny olona maro sy ny nitarihako azy ho any amin’ny tranon’Andriamanitra, tamin’ny feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ranomasoko no haniko andro aman’alina, dia ny ilazan’ny olona amiko tsy an-kijanona hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ranomaso no zary sakafoko na andro izany na alina, noho izaho ilazana foana hoe: «Aiza ity Andriamanitrao?»
Malagasy Bible 1865
Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin'ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon'Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao zavatra izao anefa no hotsarovako rehefa mamboraka ny fanahiko ato anatiko aho, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ny olona maro sy ny nitarihako azy ho any amin’ny tranon’Andriamanitra, tamin’ny feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
malagasy