Psalms 43:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Omeo rariny aho Andriamanitra ô, alaharo ny teniko mba handreseko ireo firenena tsy manana famindrampo! Vonjeo aho ho afaka amin’ny lehilahy mpamitaka sy mpanao heloka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Omeo rariny aho, Andriamanitra ô; iandraiketo ny adiko amin’ny firenena mpamadika, afaho amin’ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy aho!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, iandanio hanohitra ny tsy mpivavaka, ataovy afaka amin’ny mpamitaka sy amin’ny mpanao ratsy.
Malagasy Bible 1865
Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Omeo rariny aho Andriamanitra ô, alaharo ny teniko mba handreseko ireo firenena tsy manana famindrampo! Vonjeo aho ho afaka amin’ny lehilahy mpamitaka sy mpanao heloka!
malagasy
Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.