Psalms 44:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay no nitantara taminay ny asa nataonao tamin’ny androny, tamin’ny andro fahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Fihirana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira; tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra.
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay no nitantara taminay ny asa nataonao tamin’ny androny, tamin’ny andro fahiny.
malagasy
[Fivavaky ny Isiraely nony saiky resim-pahavalo, nefa tsy nahafoy an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny.