Psalms 45:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mampiboiboika teny tsara ny foko. Hoy aho hoe: Ho an’ny mpanjaka ny asako! Aoka ny lelako ho toy ny fanoratan’ny haingam-panoratra!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny lisy. Nataon’ny taranak’i Kôre. Hiram-pitiavana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra. Tononkiram-pitiavana.
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'ny Koraita. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan'ny faingan-tsoratra ny lelako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mampiboiboika teny tsara ny foko. Hoy aho hoe: Ho an’ny mpanjaka ny asako! Aoka ny lelako ho toy ny fanoratan’ny haingam-panoratra!
malagasy
[Tonon-kiram-panambadiana, fiderana ny mpanjaka be voninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'ny Koraita. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan'ny faingan-tsoratra ny lelako.