Psalms 45:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
eny, amin’ny voninahitra no hitaingenanao soavaly mba handrosoanao amin-kery, ho fiarovana ny marina sy ny fahalemem-panahy ary ny rariny sy hitsiny! Aoka hanoro anao hanao asa mahatahotra ny tananao ankavanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sikino amin’ny sabatrao ny valahanao, ry ilay mahery, tafio ny famirapiratanao amam-piandriananao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry ilay mpiady mahery fo ô, fehezo amin’ny etra ny sabatrao izay mari-piandrianana sy voninahitrao.
Malagasy Bible 1865
Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin'ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
eny, amin’ny voninahitra no hitaingenanao soavaly mba handrosoanao amin-kery, ho fiarovana ny marina sy ny fahalemem-panahy ary ny rariny sy hitsiny! Aoka hanoro anao hanao asa mahatahotra ny tananao ankavanana.
malagasy