Psalms 48:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mifaly ny tendrombohitra Ziona ary miravoravo ny zanakavavin’i Joda noho ny fitsaranao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tahaka ny Anaranao, ry Andriamanitra, toy izany koa ny fiderana Anao tonga hatrany am-para vazantany. Feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatrany am-paran’ny tany ny lazanao, ka hatrany koa no hiderana Anao. Feno fahamarinana ny tananao ankavanana;
Malagasy Bible 1865
Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin'Joda, noho ny fitsaranao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mifaly ny tendrombohitra Ziona ary miravoravo ny zanakavavin’i Joda noho ny fitsaranao.
malagasy
Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin'Joda, noho ny fitsaranao.