Psalms 49:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ny fitoeran’ny maty, ny fahafatesana no mpiandry azy; hanosihosy azy ny olo-mahitsy nony maraina; ary ho levona ny bikany fa ny fitoeran’ny maty no fonenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no alehan’ireo olona be hambo loatra, mbamin’izay manaraka azy, manaiky ny teniny. - Selà
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no hanjo ny mpitoky tena sy hiafaran’ny olona mpirehaka: Fiatoana
Malagasy Bible 1865
Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin'ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ny fitoeran’ny maty*, ny fahafatesana no mpiandry azy; hanosihosy azy ny olo-mahitsy nony maraina; ary ho levona ny bikany fa ny fitoeran’ny maty no fonenany.
malagasy
Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin'ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany.[Heb: Sheola]