Psalms 49:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Andriamanitra kosa no hanafaka ahy avy ao amin’ny fitoeran’ny maty, satria handray ahy Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Roahina toy ny biby fiompy izy ho any amin’ny Seoly, ny fahafatesana no miandry azy, manapaka azy ireo nony maraina ny olo-mahitsy, ary ny ambiroany dia hihalevona any amin’ny Seoly, tsy hisy fonenana hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
horoahina toa andian’ondry izy mba ho any amin’ny toeran’ny maty ka Rafahafatesana no mpiandry hampiraotra azy; hanitsy izy no midina am-pasana ka tsy hotsaroana ny bikany; ary ny toeran’ny maty no fonenany.
Malagasy Bible 1865
Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Andriamanitra kosa no hanafaka ahy avy ao amin’ny fitoeran’ny maty, satria handray ahy Izy.
malagasy
Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy.[Na: Rehefa azony aho]