Psalms 5:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Melohy izy, Andriamanitra ô! Aoka ny fikasany ihany no handavo azy! Roahy izy noho ny habetsahan’ny fahotany, satria efa nikomy Taminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa eo am-bavany, tsy mba misy fahatsorana; ny fony tsy misy afa-tsy faharatsiana; ny tendany, fasana misokatra; ataony malefadefaka ny lelany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy misy azo ianteherana izay lazain’ireo, sady feno heloka ny ao am-pony; ny lelany toy ny lala-malama, ny tendany toy ny fasa-mitanatana.
Malagasy Bible 1865
Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon'ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny fahotany, satria efa niodina taminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Melohy izy, Andriamanitra ô! Aoka ny fikasany ihany no handavo azy! Roahy izy noho ny habetsahan’ny fahotany, satria efa nikomy Taminao.
malagasy
Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon'ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny fahotany, satria efa niodina taminao.