Psalms 5:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany. Fandravana no ao anatiny, fasana misokatra ny tendany ary mandambolambo ny fiteniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tompo ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho, noho ireo fahavaloko, ataovy marina amin’ny diako ny lalanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho noho ny afitsok’ireo olona mitsikilo ahy; ataovy mahitsy eo anatrehako ny lalana asainao alehako.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany. Fandravana no ao anatiny, fasana misokatra ny tendany ary mandambolambo ny fiteniny.
malagasy
Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.[Na: lavaka mitanatana]