Psalms 50:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andriamanitra, NY TOMPO Andriamanitra, no miteny ka miantso ny tany hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Salamon’i Asafa. Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Salamo nataon’i Asafa. Ny TOMPO Andriamanitra Avo Indrindra no miteny ka miantso ny olona eran’ny tany, dia hatreo amin’izay iposahan’ny masoandro ka hatrany amin’izay ilentehany.
Malagasy Bible 1865
Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andriamanitra, NY TOMPO Andriamanitra, no miteny ka miantso ny tany hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.
malagasy
[Ny amin'ny fivavahana marina sy ny fanatitra sitrak'Andriamanitra] Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany.