Psalms 51:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana manontolo dia tsy mahafaly Anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny famonjena ahy, afaho amin’ny ra nalatsaka aho, dia hidera ny fahamarinanao ny vavako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andriamanitra ô, Andriamanitra mpamonjiko Ianao. Namono olona ho faty aho ka ataovy afa-keloka mba hihobiako ny fanafahanao ahy.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana manontolo dia tsy mahafaly Anao.
malagasy
Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.