Psalms 53:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny adala no manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny feo mitaraina. Hiran’i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina amin’ny fomba fihira malahelohelo. Tononkalo fananarana nataon’i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpiventy hira. Al-mahalath. Maskila nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny adala no manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.
malagasy
[Ny faharatsian'ny olona sy ny faniriam-pamonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Al-mahalath. Maskila nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara.