Psalms 53:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indreo, tonga feno tahotra ireny nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra hanely ny taolan’izay nitoby hamely anao; hampahamenatra azy ianao satria Andriamanitra efa nanary azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa tsy manana fahalalana va ry zareo mpanao ratsy? fa ny vahoakako haniny toy ny fihinan-kanina; izy ireo tsy miantso an’Andriamanitra akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa Andriamanitra hoe: «Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana sady Izaho tsy antsoiny akory!»
Malagasy Bible 1865
Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan'izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian'Andriamanitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indreo, tonga feno tahotra ireny nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra hanely ny taolan’izay nitoby hamely anao; hampahamenatra azy ianao satria Andriamanitra efa nanary azy.
malagasy
Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan'izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian'Andriamanitra izy.Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin'Andriamanitra avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.