Psalms 53:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Israely! Rehefa ampodin’Andriamanitra avy amin’ny fahababoana ny olony dia hiravoravo i Jakoba ary hifaly Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho tera-kovitry ny tahotra tampoka izy ireo, tsy misy anefa izay tokony hatahorany, fa naelin’Andriamanitra ny taolan’izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao satria efa narian’Andriamanitra izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indreo matahotra dia matahotra ireny amin’ny tsy tokony hatahorany akory, satria efa naelin’Andriamanitra ny taolan’ny tsy mpivavaka. Ho menatra tokoa izy ireo satria efa narian’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin'Andriamanitra avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona* ny famonjena ny Israely! Rehefa ampodin’Andriamanitra avy amin’ny fahababoana ny olony dia hiravoravo i Jakoba ary hifaly Israely.
malagasy
Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin'Andriamanitra avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.