Psalms 55:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka hanampoka azy ny fahafatesana ary aoka hidina velona any amin’ny fitoeran’ny maty izy! Fa ratsy no ao amin’ny fonenany, ao afovoany ao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nifanerasera tamim-pifankazarana mamy isika; niara-nandeha tamin’ny maro, ho any an-tranon’Andriamanitra isika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany isika nifanao teny mamy sy niara-dia, fony nankao an- tranon’Andriamanitra!
Malagasy Bible 1865
Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin'ny fonenany, dia ao afovoany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka hanampoka azy ny fahafatesana ary aoka hidina velona any amin’ny fitoeran’ny maty* izy! Fa ratsy no ao amin’ny fonenany, ao afovoany ao.
malagasy
Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin'ny fonenany, dia ao afovoany. [Na: Aoka hahazo azy ny fandringanana][Heb: Sheola][Na: Fa hevi-dratsy ny ao amin'ny firaketany, dia ao am-pony]