Psalms 56:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona. Miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ilay Voromahailala gina any an-tany lavitra. Hiran’i Davida. Fony izy nosamborin’ny Filistinina tany Geta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe «Voromahailala gina any an-tany lavitra.» Salamo nataon’i Davida, fony izy voasambotry ny Filistinina tao Gata.
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona. Miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
malagasy
[Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy any am-pandosirana] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.