Psalms 57:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko! Fa Aminao no ialofako. Eny, ao amin’ny aloky ny elatrao no ialofako mandra-pahalasa ny loza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran’i Davida, fony izy nenjehin’i Saola, niery tao amin’ny zohy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe «Aza ravana....» Salamo nataon’i Davida fony izy nandositra lavitra an’i Saoly ka niery tao anaty zohy.
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida tamin'ny nandosirany an'i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan'ny fanahiko; eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan'ny loza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko! Fa Aminao no ialofako. Eny, ao amin’ny aloky ny elatrao no ialofako mandra-pahalasa ny loza.
malagasy
[Fangataham-pamindram-po sy fahatokiana an'Andriamanitra, na dia hodidinim-pahavalo aza] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida tamin'ny nandosirany an'i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan'ny fanahiko; eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan'ny loza.