Psalms 58:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa ny tsy fitenenana va no ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara amin’ny fahitsiana va ianareo, ry zanak’olombelona?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran’i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe «Aza ravana....» Salamo nataon’i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak'olombelona?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa ny tsy fitenenana va no ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara amin’ny fahitsiana va ianareo, ry zanak’olombelona?
malagasy
[Ny amin'ny famaliana ny mpanao fitsarana tsy marina] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak'olombelona?[Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry mahery?]