Psalms 58:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy izany, fa minia mamorona tsy fahamarinana ianareo. Ny herisetra hataonareo eo amin’ny tany no lanjainareo amin’ny mizana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tsy fitenenana va no amoahanareo fitsarana? Araka ny rariny va no itsaranareo, ry zanak’olombelona?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa dia ny rariny tokoa ve no lazainareo, ry manampahefana? Moa araka ny hitsiny ve no itsaranareo ny olona?
Malagasy Bible 1865
Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ an-tany ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy izany, fa minia mamorona tsy fahamarinana ianareo. Ny herisetra hataonareo eo amin’ny tany no lanjainareo amin’ny mizana.
malagasy
Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ an-tany ianareo.