Psalms 59:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fahotan’ny vavany dia ny tenin’ny molony; aoka ho voasambotry ny fireharehany ihany izy; eny, noho ny ozona sy ny lainga teneniny!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza vonoina ireny, fandrao hadinon’ny vahoakako, fa ampirenireneo amin’ny herinao izy, dia haongano, ry Tompo, ampinganay!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andriamanitra ô, aza aringana avy hatrany ireo fandrao hadinon’ny vahoakako ny fandresenao; ahofokofohy amin’ny herinao ireo ka azerao, ry Tompo ampinganay ô.
Malagasy Bible 1865
Ny fahotan'ny vavany dia ny tenin'ny molony; aoka hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fahotan’ny vavany dia ny tenin’ny molony; aoka ho voasambotry ny fireharehany ihany izy; eny, noho ny ozona sy ny lainga teneniny!
malagasy
Ny fahotan'ny vavany dia ny tenin'ny molony; aoka hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.