Psalms 60:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Ianao, efa tezitra Ianao, velombelomy izahay!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Lisin’ny vavolombelona. Hira nataon’i Davida, hampianarina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Hira malefaka fahatsiarovana, nataon’i Davida ho fampianarana.
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Ianao, efa tezitra Ianao, velombelomy izahay!
malagasy
[Fiantsoan'ny efa resim-pahavalo, mba hotsarovan'Andriamanitra ny teniny] Ho an'ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.[Arama-naharaima]