Psalms 60:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Moaba dia fitoeran-drano fisasana ho Ahy; eo amin’i Edoma no anipazako ny kapako; mihorakoraha hiady Amiko, ry tanin’ny Filistina!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Andriamanitra niteny tamin’ny fahamasinana hoe: «Hientan-kafaliana aho! Hanana an’i Sikema ho anjarako aho, horefesiko ny lohasahan’i Sokôta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao an- Toeramasiny no niteny Andriamanitra hoe: «Faly tokoa Aho fa hizara an’i Sekema sy ny lohasahan’i Sokôta ho an’ny vahoakako;
Malagasy Bible 1865
Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Moaba dia fitoeran-drano fisasana ho Ahy; eo amin’i Edoma no anipazako ny kapako; mihorakoraha hiady Amiko, ry tanin’ny Filistina!
malagasy
Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.