Psalms 65:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho Anao ny fahanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary Aminao no anefana ny voady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Fihirana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida. Tononkira.
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho Anao ny fahanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona* ô, ary Aminao no anefana ny voady.
malagasy
[Fiderana an'Andriamanitra noho ny ataony, fa indrindra noho ny anomezany ny vokatry ny tany] Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.[Na: Ny fiononana dia fiderana ankasitrahinao]