Psalms 65:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia matahotra noho ny famantarana ataonao ny mponina any am-paran’ny tany; fenoinao hoby ny any amin’ny fiposahan’ny maraina sy ny hariva.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroaran’ny onjany, ary ny fikorontanan’ny vahoaka.-
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tonenao ny riaka misamboaravoara sy ireto onjany mirohondrohona, ampangininao ny firenena mitabataba.
Malagasy Bible 1865
Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia matahotra noho ny famantarana ataonao ny mponina any am-paran’ny tany; fenoinao hoby ny any amin’ny fiposahan’ny maraina sy ny hariva.
malagasy
Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.