Psalms 65:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mamangy ny tany Ianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Ianao; ny onin’Andriamanitra dia tondra-drano; manomana vary ho an’ny olona Ianao. Izany no fanomananao ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ankona amin’ny zava-mahagaga ataonao ny mponina any an-tany lavitra; ampiravoravoanao ny fara sisiny, dia ny atsinanana sy ny andrefana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho ireo famantarana ataonao, dia mitolagaga ny vahoaka hatrany am-paran’ny tany; na tatsinanana na tandrefana dia entaninao hihorakoraka hihoby.
Malagasy Bible 1865
Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mamangy ny tany Ianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Ianao; ny onin’Andriamanitra dia tondra-drano; manomana vary ho an’ny olona Ianao. Izany no fanomananao ny tany.
malagasy
Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.