Psalms 68:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao; mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao. Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitondra babo Ianao no niakatra eny an-kavoana; nandraisanao fanomezana ny olombelona na dia ireo mpikomy taminao koa aza mba honenanao eo, ry TOMPO Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika.
malagasy
Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Na: Isaorana isan'andro isan'andro anie ny Tompo; Raha misy mahavesatra antsika, dia Andriamanitra no famonjena antsika; na: Isaorana anie ny Tompo, Izay mampitondra entana antsika isan'andro isan'andro]