Psalms 68:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andriamanitrao no nandidy mba hahery ianao. Andriamanitra ô! Asehoy ny herinao amin’izay nataonao ho anay,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro i Benjamina ilay kely indrindra, izay manapaka azy ireo; ny andriandahin’i Jodà mbamin’ny antokon’izy ireo; ny andriandahin’i Zabolôna, ny andriandahin’i Neftalì.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Benjamîna, ilay foko bitika indrindra no eo aloha; dia ny andrian’i Joda izay mareva-pitafiana, avy eo indray dia ny andrian’i Zebolòna, ary ny an’i Naftalỳ no manaraka an’ireo.
Malagasy Bible 1865
Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andriamanitrao no nandidy mba hahery ianao. Andriamanitra ô! Asehoy ny herinao amin’izay nataonao ho anay,
malagasy
Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.