Psalms 68:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ny lovanao, Andriamanitra ô! Ary raha kotsa izy dia novelombelominao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nihozongozona ny tany, nitsonika teo anatrehan’Andriamanitra hatramin’ny lanitra aza. I Sinaia aza nihararetra teo anatrehan’Andriamanitra, Andriamanitr’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nihovotrovotra ny tany, nanorana koa ny habakabaka teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Sinay, teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ny lovanao, Andriamanitra ô! Ary raha kotsa izy dia novelombelominao.
malagasy
Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.