Psalms 69:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Maro noho ny volon-dohako ny isan’izay mankahala ahy tsy amin’antony. Mahery izay ta hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy amin’antony; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sasatry ny mitaraina aho; maimay ny tendako; valaka eo amin’ny fiandrasana an’Andriamanitra, ny masoko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sasatry ny miantso vonjy aho; ka maina ny tendako, vizana ny masoko, eo am-piandrasako Anao Andriamanitro.
Malagasy Bible 1865
Maro noho ny volon-dohako ny isan'izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Maro noho ny volon-dohako ny isan’izay mankahala ahy tsy amin’antony. Mahery izay ta hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy amin’antony; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
malagasy