Psalms 7:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
RY TOMPO Andriamanitro ô, Ianao no ialofako; vonjeo aho amin’izay rehetra manenjika ahy ka afaho,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hira firehetan’i Davida nohirainy tamin’i Iaveh, noho ny tenin’i Kosa Benjamita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fitarainana nataon’i Davida. Nohirainy teo anatrehan’ny TOMPO noho ny amin’i Kosy ilay Benjaminita.
Malagasy Bible 1865
Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
RY TOMPO Andriamanitro ô, Ianao no ialofako; vonjeo aho amin’izay rehetra manenjika ahy ka afaho,
malagasy
[Fiantsoana an'Andriamanitra, Mpitsara marina] Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;