Psalms 70:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka hifaly sy ho ravoravo Aminao izay rehetra mitady Anao! Ary aoka izay tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: Hankalazaina anie Andriamanitra!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka hianòtra azon’ny henatra, izay manao hoe: «Hia! Hia!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hiverina ilalana ho safotry ny henatra ireo mpanakora ahy hoe: «Akorinao izay!»
Malagasy Bible 1865
Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka hifaly sy ho ravoravo Aminao izay rehetra mitady Anao! Ary aoka izay tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: Hankalazaina anie Andriamanitra!
malagasy
Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.