Psalms 71:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Ianao izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy manda fiarovana ho ahy Ianao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka Ianao ho vatolampy tsy azo hanihina ho ahy, izay ho azoko handosirana mandrakariva. Efa nandidy ny hamonjy ahy Ianao, fa Ianao no Vatolampiko sy Trano mimandako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka Ianao ho vatolampy miaro ahy sy ho manda ahitako famonjena! Ianao tokoa no harambato sady toera-mafy ho ahy.
Malagasy Bible 1865
Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Ianao izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy manda fiarovana ho ahy Ianao!
malagasy
Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.