Psalms 72:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ho velona izy ary aoka homena volamena avy any Sheba izy! Aoka hisy fifonana ho azy mandrakariva ary aoka hotsofindrano isanandro izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia ho velona ireny, ka hanatitra volamena avy any Sabà ho Azy; hanao voady ho Azy mandrakariva, ary hisaotra Azy isan’andro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho ela velona anie ny mpanjaka! Aoka ho volamena avy any Sabà no hatao fanomezana ho azy! Enga anie izy harahim-bavaka lalandava sady horarîna soa isan’andro isan’andro!
Malagasy Bible 1865
Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan'andro no hisaorany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ho velona izy ary aoka homena volamena avy any Sheba izy! Aoka hisy fifonana ho azy mandrakariva ary aoka hotsofindrano isanandro izy!
malagasy
Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan'andro no hisaorany azy.[Na: Dia ho velona Izy ka homena]