Psalms 72:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza, hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany, ary hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ny tany ny ao an-tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vary, aoka ho vokatra betsaka amin’ny tany hatrany an-tampon’ny tendrombohitra! Ny salohim-bary, aoka hisahondrahondra hoatry ny alan’i Libàna! Ny olona, aoka hirobona ao amin’ny tanàna toy ny ahitra any an-tsaha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hahavokatra vary betsaka anie ny tany; hatrany an-tampon-tendrombohitra aza no aoka hihondrahondra ny vokatra ka hilonjehitra toy ny any Libano ny salohy! Ary ny mponina isan-tanàna anie hiroborobo toy ny ahitra eny an-tsaha!
Malagasy Bible 1865
Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza, hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany, ary hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ny tany ny ao an-tanàna.
malagasy
Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany.