Psalms 72:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro dia haharitra ny anarany. Izy no ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra dia hanao azy hoe sambatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany! Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny lazan’ny mpanjaka anie ho mandrakizay ka hitatra hatrany eto ambany masoandro! Izy anie ho fitahiana ireo fokon’ny tany tontolo ka hataon’ny firenena rehetra hoe: «Sambatra!»
Malagasy Bible 1865
Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro dia haharitra ny anarany. Izy no ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra dia hanao azy hoe sambatra.
malagasy
Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.[Izaho Gen.xxii. 18]