Psalms 73:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny amiko dia ny manakaiky an’Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no nataoko fialofana, mba hitantarako ny asanao rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha izaho, dia ny miray amin’Andriamanitra no fahasambarako; I Iaveh Tompo no anton’ny fitokiako; mba hitoriako ny asanao rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izaho kosa, ny mahasambatra ahy dia ny ho eo akaikinao, Andriamanitra ô; Ianao Tompo ANDRIANANAHARY no nataoko fialofana hahazoako manambara ny asa rehetra vitanao.
Malagasy Bible 1865
Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny amiko dia ny manakaiky an’Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no nataoko fialofana, mba hitantarako ny asanao rehetra.
malagasy
Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.