Psalms 74:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Ianao, no sady manetroka amin’ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fihirana nataon’i Asafa. Ry Andriamanitra ô, nahoana no dia nanary anay mandrakizay Ianao? sy mirehitra amin’ny ondry ao amin’ny tanim-bilonao ny hatezeranao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tononkalo fananarana nataon’i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana izahay no dia narianao tanteraka? Nahoana izahay andian’ondry fiandrinao no irehetan’ny fahatezeranao?
Malagasy Bible 1865
Maskila nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin'ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Ianao, no sady manetroka amin’ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
malagasy
[Fitarainana tamin'Andriamanitra, satria mafy ny fanenjehana, sady nosimbàna ny tempoly] Maskila nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin'ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?