Psalms 75:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Isaoranay Ianao, Andriamanitra ô; eny, isaoranay Ianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Salamon’i Asafa. Fihirana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe: «Aza ravana... ». Salamo nataon’i Asafa. Tononkira.
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Isaoranay Ianao, Andriamanitra ô; eny, isaoranay Ianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
malagasy
[Ny fahakaikin'ny Mpitsara, sy ny kapoaky ny fahatezerany] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.