Psalms 75:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hanambara izany mandrakariva aho ka hankalaza an’Andriamanitr’i Jakoba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria eo an-tanan’i Iaveh misy kapoaka, ka divay mandroatra miharo zava-manitra no ao. Dia aidiny izany: eny, hotsentsefiny ny faikan’izany, hisotro avokoa ny ratsy fanahy amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Misy tsangambava iray eo an-tanan’ny TOMPO, dia tsangambava feno divay mifangaroharo izay tandindon’ny hatezerany mandroatra. Asainy sotroin’ny olon-dratsy rehetra amin’ny tany izany ka tsy maintsy trohin’ireo hatramin’ny faikany.
Malagasy Bible 1865
Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hanambara izany mandrakariva aho ka hankalaza an’Andriamanitr’i Jakoba.
malagasy
Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.