Psalms 78:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa Andriamanitra dia be famindrampo ka mamela heloka fa tsy mandringana; eny, nahatsindry fo tokoa Izy ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mamindra fo anefa Izy; mamela ny fahotana ary tsy mandringana; nanindry ny hatezerany matetika, ary tsy nanarana ny fahavinirany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Be indrafo anefa Andriamanitra ka namela ny hadisoany ary tsy nandringana azy; nahatsindry hatezerana Izy ary nampitony fahavinirana.
Malagasy Bible 1865
Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa Andriamanitra dia be famindrampo ka mamela heloka fa tsy mandringana; eny, nahatsindry fo tokoa Izy ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany.
malagasy
Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,