Psalms 78:71 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tany amin’ny fiandrasany ny ondrivavy mampinono no nakany azy mba hiandry an’i Jakoba olony sy Israely lovany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
naka azy teny am-piandrasana reniondry, mba hiandry an’i Jakôba vahoakany, sy i Israely lovany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
teo am-piandrasana reniondry mampinono izy no nampanalainy mba hiandry ny olony, dia ireo taranak’i Jakôba na ny vahoaka Israely izay efa voatokana ho fananany.
Malagasy Bible 1865
Tany amin'ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an'i Jakoba olony sy Isiraely lovany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tany amin’ny fiandrasany ny ondrivavy mampinono no nakany azy mba hiandry an’i Jakoba olony sy Israely lovany.
malagasy
Tany amin'ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an'i Jakoba olony sy Isiraely lovany;Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.