Psalms 8:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanorenanao manda mafy eo anatrehan’ny mpandrafy Anao mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta hamaly ratsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra! Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO Andriamanitray ô, endrey ny halehiben’ny voninahitrao manerana ny tany tontolo! Nataonao manoatra ny lanitra ny fiandriananao.
Malagasy Bible 1865
Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanorenanao manda mafy eo anatrehan’ny mpandrafy Anao mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta hamaly ratsy.
malagasy
Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.