Psalms 8:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha jereko ny lanitra izay asan’ny rantsantananao sy ny volana aman-kintana izay nampitoerinao
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny feon’ny ankizy madinika, eny, ny feon’ireo zaza mbola minono aza no anoheranao ny mpandrafy Anao; ary izany dia toy ny manda natsanganao hampanginanao ireo fahavalonao sy izay te hamaly ratsy.
Malagasy Bible 1865
Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha jereko ny lanitra izay asan’ny rantsantananao sy ny volana aman-kintana izay nampitoerinao
malagasy
Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,