Psalms 84:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, mahita trano ny tsikirity ary mahita akany hametrahany ny zanany ny sidintsidina, dia ny alitaranao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, Mpanjakako sy Andriamanitro!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Trotraka ny fanahiko misento, manina ny kianjan’i Iaveh; mientana ho amin’Andriamanitra velona, ny foko sy ny nofoko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa tsindrian-daona sady manina aho te ho ao an-kianjan’ny tempolinao. Ny tenako iray manontolo no mihoby an’ilay Andriamanitra velona.
Malagasy Bible 1865
Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, mahita trano ny tsikirity ary mahita akany hametrahany ny zanany ny sidintsidina, dia ny alitaranao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, Mpanjakako sy Andriamanitro!
malagasy
Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.