Psalms 86:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andriamanitra ô, mitsangana hanohitra ahy ny mpirehareha ary mitady ny aiko ny antokon’ny mpampihorohoro, tsy mba heveriny fa eo anatrehany Ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Andriamanitra ô, mitsangan-kamely ahy ny mpiavonavona, mitady ny aiko ny antokon’olona mpanao an-keriny, ka tsy asiany raharaha akory Ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Olona mpiavonavona no mitsangan-kamely ahy andian’olon-dozabe no mitady hahafaty ahy; Ianao, Andriamanitra ô, tsy raharahainy akory.
Malagasy Bible 1865
Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andriamanitra ô, mitsangana hanohitra ahy ny mpirehareha ary mitady ny aiko ny antokon’ny mpampihorohoro, tsy mba heveriny fa eo anatrehany Ianao.
malagasy
Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.