Psalms 88:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, Andriamanitry ny famonjena ahy! Andro aman’alina no itarainako eo anatrehanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fihirana. Salamon’ny zanak’i Kôre. Ho an’ny mpampianatra hira. Hiraina amin’ny feo mitaraina. Fihiranan’i Hemàna, Ezrahita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tononkira. Salamo nataon’ny terak’i Kôra. Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina amin’ny feo malahelohelo. Tononkalo fananarana avy amin’i Hemàna zanakalahin’i Zerà.
Malagasy Bible 1865
Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Ho an'ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon'i Hemana Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman'alina no itarainako eo anatrehanao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, Andriamanitry ny famonjena ahy! Andro aman’alina no itarainako eo anatrehanao.
malagasy
[Vavaka nataon'izay nasian'ny fahoriana mafy ka toa foin'Andriamanitra] Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Ho an'ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon'i Hemana Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman'alina no itarainako eo anatrehanao;